• English
  • Deutsch
  • Français
  • Malagasy
  • Sata mifehy

    Ireo sata mifehy ny fikambanana “ Zon’olombelona hoan’ny mponina any Masoala ”

    Fanamarihana: Ireo andininy mikasika ireo tanjona (§ 2), ireo hetsika (§ 3) ary izay fomba fidirana ho mpikambana ihany no mbola voadika amin’ny teny Malagasy ankehitriny. Afaka jerena amin’ny teny Alemàna ny sata iray manontolo.

    § 2. Tanjona

    Ny fikambanana “Zon’olombelona hoan’ny mponina any Masoala” dia manana ho tanjona ny fampahafantarana ny be sy ny maro aty Soisa sy ny toeran-kafa koa, izay toe-javatra ara-tsosialy, sy ara-toekarena, sy ara-pôlitika, ary ara-fomban-drazana izay itoeran’ireo olona voakasika mivantana na tsia amin’ny nanorenana ny valanjava-boahary any Masoala any Madagasikara, tamin’ny taona 1997.

    Tanjona lavitr’ezaka izay kendrena ny hanokafana dinika vaovao mikasika ny fanòvana izay faritra tokony hatokana ho valan-javaboahary, faritra vaovao izay tsy manosihosy intsony ny fiveloman’ny mpamboly any an-toerana.

    Ireo mpikambana dia miray hevitra fa :

    • Zon’ireo olona voakasiky ny famoronana ity valanjava-boahary ity ny mifidy malalaka izay hoaviny.
    • Zon’ireo mponina amin’ireo tanàna manodidina ny mamboly ny tany izay azy araky ny lovan-tsofina sy fomban-drazana, na dia tsy voasoratra ara-panjakana aza izany.
    • Ny nanorenana ny valanjava-boahary taty aoriana dia tsy manan-kery hanafoana ny fisian’ireo zo ireo.

    § 3. Hetsika

    Ny fikambanana dia mampiharihary sy mampahalala ny be sy ny maro izay mety ho fihetsika manosihosy ireo zo voatanisa tetsy ambony, na olon-tokana na vondron’olona no manao izany. Ny fitaovana enti-manantanteraka izany dia :

    • Fanokafana vohikala Aterineto izay ahitana ireo vaovao farany mikasika an’i Masoala (teny Alemàna, Anglisy, Frantsay, Malagasy).
    • Fandraisana fitenenana amin’ny adi-hevitra ampahibemaso sy fanoratana lahantsoratra hoan’ny gazety.

    § 4. Fidirana ho mpikambana

    a) Afaka miditra ho mpikambana izay olona, na vondron’olona rehetra izay manohana ireo tanjon’ny fikambanana nambara teny am-piandohana, na mipetraka eto Soisa izy na any ivelany. Andraikitry ny Komity Mpanantanteraka ny fankatoavana ireo mpikambana vaovao.

    b) Tsy misy fotoana voatokana ny fidirana ho mpikambana. Ny fialana kosa dia alefa an-tsoratra any amin’ny Komity Mpanantanteraka ary manan-kery hoan’ny faran’ny taona.

    c) Tsy mila mandroso fanazavana fa afaka mandà mpikambana vaovao, na koa mandroaka mpikambana ny Komity Mpanantanteraka raha heveriny fa tsy miray hevitra amin’ny tanjon’ny fikambanana izany olona/vondron’olona izany na antony hafa koa. Zon’ny mpikambana iantefan’ny fandroahana ny mandà sy manao fitoriana fitsipahana izany mandritra ny fivoriambe izay atao indray mandeha isan-taona.