• English
  • Deutsch
  • Français
  • Malagasy
  • Izahay

    human rights masoala eva keller

    Eva Keller

    Filohan’ny fikambanana, Komity Mpanatenteraka

    Anthropologa sosialy aho, ary Madagasikara no sahan’ny fikarohako, iny faritry Masoala iny indrindra. Efa mahatratra 36 volana izao ny halavan’izay nitoerako tany an-toerana (nanomboka tamin‘ny taona 1998). Miara-miaina amin’ny tompon-tany, tantsaha madinika, mizara ny andavan’andron’izy ireo ary miraiktra izay ambarany. Izay fiantefan’ny fanokafana ny valan-javaboahary amin’ny andavan’andron’ny mponina any amin’ny faritry Masoala no votoatin’ny fikarohana (2005–2015, boky). Ka ny vokatry ny fikarohako no nanosika ahy hanorina fikambanana hampahafantatra izany tsy an-drariny sedrain’ny mponina any Masoala izany.


    human rights masoala paul clement

    Harimalala Paul Clément

    Komity Mpanatenteraka eto Madagasikara/Masoala

    Izaho dia mpitarika ireo mpikaroka manam-pahaizana manokana. Hatramin’ny taona 2005 mankaty dia niara-niasa akaiky sy naharitra tamin-dRamatoa Eva Keller ny tenako. Mahafantatra tsara, ny fahasahiranana sy fijalian’ny olona eny ifotony manodidina ny Valan-Javaboary masoala. Koa ankehitriny dia miditra ho isany ho mpikambana :”Komity Mpanatanteraka ny Fikambanana eto Madagasikara”. Ny andraikitro dia ny mijoro ho vavolombelona ankitsim-po sy hizara amintsika jiaby ny toe-javatra misy sy mitranga ety an-toerana.
    Ny fiananay dia ao am-pon’ny taninay.
    “Notre terre est au coeur de notre vie.”


    human rights masoala esther leemann

    Esther Leemann

    Komity Mpanatenteraka

    Filoha lefitra, Komity MpanatenterakaIreo fomba fitrandrahana ny harena voa-janahary arak’izay fanao amin’ny firaha-monina maro manerana izao tontolo izao sy izay olana mety aterak’izany no votoatin’ny fikarohana Anthropolojia nimasoako izay 20 taona lasa farany izay. Ny fikarohana nataoko tany Kambôdja manodidina ny ampahimaba natao ny tany lonaka hambolena voly Hévéas no nanokatran ny masoko amin’izay loza ,itatao amin’ny mpamboly vokatry ny fahaverazan’ny tany izay ifotoran‘ny fiainan’izy ireo. Sahala amin’izay hitako tany izay mitranga ankehitriny any Masoala ka nanosika ahy hirotsaka anivon’ity fikambanana ity


    Sandra Spirig

    Komity Mpanatenteraka

    Mpisolovava no asa fivelomako ary any Zurich aho no mipetraka. Isan’ireo izay liana mikasika an’i Afrika hatrizay aho ka marobe ireo tetikasa izay nandraisako antsitrampo anjara. Nivoy toby fijaboana ambanivohitra izay tetikasan‘ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana “Madaclinics” no namangiako an’i Madagasikara (any amin’ny faritra Avaratra, tamin’ny taona 2009). Nanoina ahy nandritra izany dia izany, ny fahitana ny herimpon’ny mponina hiatrika ny hasarotan’ny andavan’androny. Nilatsaka ho mpikambana anivon‘ny Zon’olombelona hoan’ny mponina any Masoala aho hanampy feo amin’ny fanapariaham-baovao asyd manoro-hevitra izay mety mahakasika ny lalàna.