• English
  • Deutsch
  • Français
  • Malagasy
  • Tanjon’ny fikambanana

    Ny hampiharihary izay tsy rariny sedrain’ny mponina any Masoala amin’ny anaran’ny fikajiana ny tontolo iainana no tanjon’ny fikambanana «Human Rights in Masoala» (Zon’olombelona hoan’ny mponina any Masoala).

    Notokanana tamin’ny taona 1997 ny valan-javaboahary izay mandrakotrany atsasan’ny saikanosy Masoala amin’ny morontsiraka avaratra-atsinanan’ i Madagasikara (jereo saritany), sady mandray fanohanana avy amin’ny sampandraharaha Amerikana sy Eorôpeana maro (isan’izany ny Wildlife Conservation Society sy ny Zoo de Zurich any Soisa). Amin’iny faritry ny valan-javaboahary Masoala iny dia marobe ireo tantsaha very tanindrazana. Very trano, very tanimbary sy tanivohitra nolovaina tamin-drazana, nohon’ny famaritana izay nataotamin’ny famoronana izany valan-javaboahary Masoala izany. Nanana ny anjara-birikiny teo amin’ny harinkarena any amin’ny faritra iny ireo tany ireo ka ny fahaverezany dia vao maika nanampy trotraka ny fahantrana izay efa nisy rahateo. Ny fihenan’ny tany azo vokarina amin’ny faritra iny dia loza mihantona hoan’ny famatsiana ara-tsakafo, tsy hoan’ny mponina ankehitriny ihany fa indrindra hoan’ireo taranaka handimby. «Añaty rôva izahay» (voageja toy ny gadra izahay) izany noambeti-tenin’ny mponina ankehitriny hanambarany ny tsy fankasitrahany izany famaritana hoan’ny valan-javaboahary Masoala izany.

    Manongilan-tsofina amin’izay fanaovana ampihy mamba ny tany lonak‘ireo tantsaha sy izay fanapahana sy fanondranana an-tsokosoko ny andramena izao tontolo izao. Na inona antony manakana ny tantsaha tsy ho afaka mamboly intsony: nafiarovana zava-boahary izany na fitrandrahana ekônomika, dia sahala ny fahavoazana ho an’ny mpamboly very tany.

    Izahay fikambanana «HumanRights in Masoala» (Zon’olombelona hoan’ny mponina any Masoala) dia mijoro eo anilan’ireo tantsaha any Masoala mitaky ny zo azahoany miaina arak’izay heveriny ho fiainana mendrika, ary mitaky amin’ireo sampandraharaha mpiaro ny zava-boahary ny fiheverana sy ny fanajanaizany zo izany. Tafiditra ao anatin’izay takiana ny tsy fanaovana ho tsinotsinona ireo zo nentim-paharazana arak‘ izay voarakitry ny lovatsofina.